Entrée | 1 Ny Salamoko |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 salamo |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Andriamanjato Richard |
Editions |
1950. |
Texte complet |
7 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako 8 Izany nofoko tanora sy ny foko valabalaka, 9 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako 10 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka. 11 Ka ny lelako hiraikitra aminao ry lanilaniko, 12 Izany tànako an-kavanana hanadino, ka ny làlako 13 Hody haolo, feno dia, raha toa ka ny taniko 14 Tsy hahita izay famiratry ny jiron'ny fanalako. 15 Ho anao ry Tany mamy mahalala ny tantarako 16 No iriko hiasan'izay fihoitry ny finiavako, 17 Ho anao no niandohako, ho anao ny ora farako 18 Ho anao no hanakoan'izay ho akon'ny fitiavako. 19 Koa avaoziko eto indray izany fanoloran-tenako 20 Ka averiko ho tsaroana sy lazaiko mba ho fantatra : 21 Fa izaho (!) dia hanompo izany tany sy fonenako, 22 Ka ny Fireneko tiana no iriko mba ho sambatra ! 23 Raha manadino anao ry Gasikara tanindrazako 24 Izany nofoko tanora sy ny foko zary valaka, 25 Aoka ny efako rehetra sy ny lasa namafazako 26 Hody aloka hitondra ho ao ampasana malalaka. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |